Skip to main content

Inona ny "antikristy"?

Inona ny "antikristy" araka izany famaritana izany?
Araka izany famaritana omen'ny Diksionera izany, ny "antikristy" dia:
  • Manohitra an'i Jesosy Kristy, sady tsy mino Azy; 
  • "Tsy manaiky an'i Jesosy Kristy": tsy mankatò fa manohitra ny fampianarany
  • Antikristy = fahavalon'i Jesosy Kristy

Ahoana no ahafantarana ireo antikristy araka ny Soratra Masina?

Ireo antikristy dia manohitra izay ambaran'ny Soratra Masina, ary mampiasa teny hafa avy ao anaty Baiboly hoentina manohitra an'i Jesosy Kristy.
  • « Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny* antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. » (1 Jaona 2:18)
  • « Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? 
  • Izy no antikristy*, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. [* Na: ilay antikristy] » (1 Jaona 2:22)
  • « ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitraary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy. » (1 Jaona 4:3)

Popular posts from this blog

Iza Ireo Antikristy?

Ny Soratra Masina dia  manambara ny fisian'ny antikristy eto amin'izao tontolo izao [Fananarana mba tsy ho tia izao tontolo izao, na hofitahin'ny antikristy, fa mba hiorina tsara ao amin'i Kristy] (1 Jaona 2:12) « Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy. » (2 Jaona 7) Araka izany, efa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao. Ny antikristy dia ilay mitafy hodi-janak'ondry nefa tena ambodia mampidi-doza, mamitaka sy mahavery ny fanahy mihitsy! Tsy manao afa-tsy ny mikatsaka ny fanjakan'izao tontolo izao izy; ary amin'ny endrika ivelany dia miseho fa mino an'i Jesosy Kristy; nefa ny fony dia tsy any akory. Manao ankilabao ny fikatsahana sy ny fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra izy ireny.