Inona kosa no marika ahafantarana ireo antikristy (= fahavalo na mpanohitra an’i Jesosy Kristy), na ireo ambodia mitafy hodi-janak’ondry?
- Tsy mino ny filazana an'i Jesosy; tsy mitandrina ny
- Sabata
- Milaza fa “efa rava ny Didy Folo”, na koa manova ny Didy Folo izy ireo ka mampiditra didin'olombelona ho didin'Andriamanitra, toy ny fanovana ny Sabata ho andro Alahady izany.
- Milaza fa “voaozona izay mitoky amin’ny didy sy ny lalàna”, "tsy mahavonjy ny didy sy ny lalàna"
![]() |
Iza Ravehivavy Janga mitaingina Bibidia? (Apokalypsy 17) |
- Mitory filazantsara hafa, miompana amin’ny fahagagana mamitaka, fampitomboam-bola aman-karena, na "filazantsaran'ny fanjakan'izao tontolo izao" - Mikatsaka fatratra izay hahazoana vola aman-karena sy hampiakatra ny harin-karena.
- Milaza fa "efa lany andro ny vavaka nampianarin’ny Tompo"; na koa hoe "manao tsianjery maimbo fotsiny ny olona raha manao ny vavaka: "Rainay Izay Any an-danitra", izay nampianarin’ny Tompo azy ireo izy.”
- Manohitra ny Tenin'Andriamanitra sy ny Filazantsaran’i Kristy.
- Manao ny asan' Andriamanitra hireharehana sy hahazoana voninahitra ho an'ny tenany, na hahazoana harem-be tsy marina.