Skip to main content

Inona no nodidian'i Jehovah sy Jesosy Kristy hotandremana mandrakizay?

Ny Baiboly mampianatra fa misy zavatra maro asain'Andriamanitra tandremana mandrakizay.  Ireto manaraka ireto no anisan'izany:
  • Ny filazana an'i Jesosy sy ny nahafatesany: Matio 12:38-40, Daniel 9:27
  • Ny filazana ny fisehoan'ny voninahitr'i Kristy: Apo.1:9-20;
  • Ny Sabata (famantarana tokony hotandremana): Levitikosy 29:30, 26:2
  • Ny Didy Folo na ny "Teny Vavolombelona": Eksodosy 20
  • Ireo Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah, izay nataony ho lalàna mandrakizay satria planin'ny pamonjena : Levitikosy 23, Deotoronomia 16
  • Ny fitoriana ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra: antoky ny fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra mino sy mandray izany : Matio 10:7, Marka 16:15, Lioka 9:60
  • Mikatsaka ny Fanjakan'Andriamanitra, fa tsy izay hohanina sy hotafiana: Matio 6:33; Ohabolana 22:4
  • Manaraka ny vavaka nampianarin'ny Tompo: 1. Mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny sitrapony; 2. famelan-keloka sy fanafahana 3. vavaka samihafa: Matio 6; Lioka 11
  • Manaraka sy mitandrina tsara ny Tenin’Andriamanitra
  • Maneho ny hery sy voninahitr'Andriamanitra amin'ny fanetrentena sy fahendrena: Mika 6:8

Popular posts from this blog

Iza Ireo Antikristy?

Ny Soratra Masina dia  manambara ny fisian'ny antikristy eto amin'izao tontolo izao [Fananarana mba tsy ho tia izao tontolo izao, na hofitahin'ny antikristy, fa mba hiorina tsara ao amin'i Kristy] (1 Jaona 2:12) « Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy. » (2 Jaona 7) Araka izany, efa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao. Ny antikristy dia ilay mitafy hodi-janak'ondry nefa tena ambodia mampidi-doza, mamitaka sy mahavery ny fanahy mihitsy! Tsy manao afa-tsy ny mikatsaka ny fanjakan'izao tontolo izao izy; ary amin'ny endrika ivelany dia miseho fa mino an'i Jesosy Kristy; nefa ny fony dia tsy any akory. Manao ankilabao ny fikatsahana sy ny fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra izy ireny.