Skip to main content

Inona no dikan'ny teny hoe : "anti-" ?

Araka ny Diksionera Longman of Contemporary English, ny teny hoe "anti" dia midika toy izao:

1. Anti- = Manohitra:

Ny mifanohitra amin'ny "manohitra" dia ny hoe "mankasitraka".
  • ohatra: antinokleary: manohitra ny fampiasana fitaovam-piadiana nokleary sy ny hery nokleary.

    2. Anti- = Manohitra na misakana ny fahatanterahan'ny zavatra iray

    • Ohatra: 
    • "antifrizy": likida atao anatin'ny moteran'ny fiarakodia mba hisorohana ny fiovan'ny motera ho mangatsiaka toy ny orampanala. Ampiasaina any amin'ireny firenena misy orampanala ireny ny antifrizy; 
    • "antifrome": zavatra natao hiarovana ny tongotra tsy hamoaka fofona ratsy rehefa tsemboka ny kiraro; 
    • "anti-perspirant": misakana ny fivoahan'ny fahatsembohana. Ny "alamo" izao ohatra dia anti-perspirant natoraly avy anaty tany, misakana ny fivoahan'ny fofona hatsembohana maimbo amin'ny vatana.
    3. Anti- = Manohitra, manakana, mankahala, mitsangana ho fahavalo

    Ny teny hoe "anti-" dia entina koa milaza olona izay manohitra na misakana ny fahatanterahan'ny zavatra iray. 
    Hita miharihary ny fiasan'izany fanakanana ataon'ny olona mpanohitra na "anti-" izany: eo amin'ny fiteny, ny fihetsika, ary ny fomba fisainana, ny fomba fandraisana fanapahan-kevitra mamitaka ihany koa.
    • Ohatra: 
    • "anti-Semita": olona mankahala Jiosy; 
    • "anti-Semitika": mpitsikera sy mpanohitra Jiosy; fahavalon'ny Jiosy"; 
    • "anti-Amerikana" dia olona manana fomba fisainana manohitra ny fitondrana Amerikana, ary koa mety ho mankahala ny zavatra avy any Amerika.

    Comments

    Popular posts from this blog

    Iza Ireo Antikristy?

    Ny Soratra Masina dia  manambara ny fisian'ny antikristy eto amin'izao tontolo izao [Fananarana mba tsy ho tia izao tontolo izao, na hofitahin'ny antikristy, fa mba hiorina tsara ao amin'i Kristy] (1 Jaona 2:12) « Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy. » (2 Jaona 7) Araka izany, efa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao. Ny antikristy dia ilay mitafy hodi-janak'ondry nefa tena ambodia mampidi-doza, mamitaka sy mahavery ny fanahy mihitsy! Tsy manao afa-tsy ny mikatsaka ny fanjakan'izao tontolo izao izy; ary amin'ny endrika ivelany dia miseho fa mino an'i Jesosy Kristy; nefa ny fony dia tsy any akory. Manao ankilabao ny fikatsahana sy ny fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra izy ireny.