Skip to main content

Antso ho amin’ny Fifohazam-Panahy

Fotoana izao hifohazanao! Tonga ankehitriny ny fotoana tokony hahalalanao izany zavatra rehetra izany. Mifohaza! Sokafy ny masonao! Mihainoa ny sofinao, ary fantaro fa ireo fanjakana roa lehibe mifanandrina dia tsy inona akory fa ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny Fanjakan'izao Tontolo izao. Jehovah anie handrotsaka ny Fanahiny Masina aminao mba hahalalanao ny marina amin'izao ora farany izao.

Ho an'ilay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana sy i Jesosy Kristy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Amena!
 Katsaho ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny Fahamarinany


Raha mikatsaka fatratra ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany ianao, azonao atao ny mianatra Soratra Masina sy miaraka mivavaka amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara na amin'ny faritra misy anao.

Popular posts from this blog

Iza Ireo Antikristy?

Ny Soratra Masina dia  manambara ny fisian'ny antikristy eto amin'izao tontolo izao [Fananarana mba tsy ho tia izao tontolo izao, na hofitahin'ny antikristy, fa mba hiorina tsara ao amin'i Kristy] (1 Jaona 2:12) « Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy. » (2 Jaona 7) Araka izany, efa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao. Ny antikristy dia ilay mitafy hodi-janak'ondry nefa tena ambodia mampidi-doza, mamitaka sy mahavery ny fanahy mihitsy! Tsy manao afa-tsy ny mikatsaka ny fanjakan'izao tontolo izao izy; ary amin'ny endrika ivelany dia miseho fa mino an'i Jesosy Kristy; nefa ny fony dia tsy any akory. Manao ankilabao ny fikatsahana sy ny fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra izy ireny.